2 Kings 15:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny toeram-panasinana tsy noravany ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona. I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy