2 Kings 16:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’NY TOMPO, dia nafindrany hiala teo anoloan’ny trano, dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’NY TOMPO ka nataony teo avaratry ny alitarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nesoriny hiala teo anoloan’ny tempoly ny alitara halimo izay voatokana ho an’ny TOMPO; io alitara io dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’ny TOMPO, ka nafindrany hipetraka eo avaratry ny alitara vaovao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’NY TOMPO, dia nafindrany hiala teo anoloan’ny trano, dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’NY TOMPO ka nataony teo avaratry ny alitarany.
malagasy
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.