2 Kings 16:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ahaza mpanjaka dia nandidy an’i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina; tahaka izany koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry amin’ny hariva ary ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay ho an’ny mpanjaka sy ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ary ny fanatitra aidina izay ho an’ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hafafinao eo amboniny; ary ny amin’ny alitara varahina dia izaho no hikarakara ny momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao koa no didy nomen’i Akaza mpanjaka an’i Oriasa mpisorona: «Doroy eo ambonin’ny ôtely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin’ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin’ny sorona. Fa ny amin’ny ôtely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanome izao baiko izao an’i Orià mpisorona i Ahaza nanao hoe: –Ny alitara lehibe no hampiasainao: eo no hanoloranao ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy ny fanatitra lafarinina isan-kariva, ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra lafarinina entin’ny mpanjaka ary ny sorona dorana manontolo mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay entin’ny vahoaka rehetra; hararakao eo koa ny ran’ireo biby natao sorona. Fa ny amin’ny alitara halimo kosa dia mbola handraisako fanapahan-kevitra manokana.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ahaza mpanjaka dia nandidy an’i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina; tahaka izany koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry amin’ny hariva ary ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay ho an’ny mpanjaka sy ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ary ny fanatitra aidina izay ho an’ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hafafinao eo amboniny; ary ny amin’ny alitara varahina dia izaho no hikarakara ny momba azy.
malagasy