2 Kings 16:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nopotehin’i Ahaza mpanjaka ireo takelaka teo amin’ny fitoeran’ny koveta ary nesoriny ny koveta izay teo amboniny. Ilay koveta lehibe dia nampidininy hiala tamin’ireo omby varahina izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanampin’izany, dia novakin’i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin’ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novakin’i Ahaza koa ny takelaka halimo izay nipetaka tamin’ireo kalesy tao an-Tempoly; nesoriny ny kovetabe teo ambonin’ireo kalesy ireo; ary ilay fitobian-drano goavana boribory dia nampidininy hiala tamin’ireo ombilahy halimo ka nataony teo ambony lampivato.
Malagasy Bible 1865
Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nopotehin’i Ahaza mpanjaka ireo takelaka teo amin’ny fitoeran’ny koveta ary nesoriny ny koveta izay teo amboniny. Ilay koveta lehibe dia nampidininy hiala tamin’ireo omby varahina izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
malagasy
Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]