2 Kings 16:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely. Nanao fahirano an’i Ahaza izy, nefa tsy afaka namaky ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay no niakaran-dRasôna mpanjakan’i Siria, sy i Faseà zana-dRomeliasa, hanafika an’i Jerosalema. Nanao fahirano an’i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany dia tonga hanafika an’i Jerosalema i Retsina mpanjakan’i Siria sy i Peka zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely; ary nanao fahirano an’i Ahaza izy roa tonta, nefa tsy naharesy azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely. Nanao fahirano an’i Ahaza izy, nefa tsy afaka namaky ady.
malagasy
Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.