2 Kings 16:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany i Rezina, mpanjakan’i Arama, dia nahazo an’i Elota ho isan’ny fanjakan’i Arama indray ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary nankany Elota ny Arameana ka monina ao mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasôna indray an’i Elata ho ambany fahefan’ny Sirianina, kanoroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Sirianina no nakao Elata dia monina ao mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany ihany dia naverin’i Retsina mpanjakan’i Siria tamin’ny Edômita ny tanànan’i Elata, rehefa avy nandroaka ny Jodeanina hiala tao izy; ary niverina nonina tao Elata ny Edômita ka nipetraka tao ary mbola ao mandraka ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany i Rezina, mpanjakan’i Arama, dia nahazo an’i Elota ho isan’ny fanjakan’i Arama indray ka nandroaka ny Jiosy* hiala tao; ary nankany Elota ny Arameana ka monina ao mandraka androany.
malagasy
Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.