2 Kings 16:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ahaza dia nandefa iraka ho any amin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, hilaza hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara ka vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanjakan’i Arama sy ny mpanjakan’ny Israely, izay mitsangana hiady amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandefa iraka tany amin’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria, i Akaza nanao hoe: «Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Siria, sy ny tanan’ny mpanjakan’i Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ahaza dia nandefa iraka ho any amin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, hilaza hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara ka vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanjakan’i Arama sy ny mpanjakan’ny Israely, izay mitsangana hiady amiko.
malagasy