2 Kings 16:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’i Asiria. Niakatra hamely an’i Damaskosy ny mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy; dia nalefany ho babo any Kira ny olona, fa i Rezina kosa dia novonoiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohenoin’ny mpanjakan’i Asiria izy, ka niakatra namely an’i Damasa ny mpanjakan’i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty i Rasôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asiria, dia nanafika ny tanànan’i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.
Malagasy Bible 1865
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’i Asiria. Niakatra hamely an’i Damaskosy ny mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy; dia nalefany ho babo any Kira ny olona, fa i Rezina kosa dia novonoiny.
malagasy
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.