2 Kings 17:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Hosea, zanak’i Elaha; nanjaka sivy taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Akaza mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria i Osea zanak’i Elà. Sivy taona no nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Ahaza tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Hôsea zanakalahin’i Elà; ary naharitra sivy taona no nanjakany tao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Hosea, zanak’i Elaha; nanjaka sivy taona izy.
malagasy
[Ny nanjakan'i Hosea, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny nahatonga izany] Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.