2 Kings 17:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’NY TOMPO nananatra ny Israely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo, ary tandremo ny lalànako sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho eo aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangan-ko vavolombelona anefa i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: «Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.
Malagasy Bible 1865
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’NY TOMPO nananatra ny Israely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo, ary tandremo ny lalànako sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho eo aminareo.
malagasy