2 Kings 17:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.
Malagasy Bible 1865
Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka.
malagasy