2 Kings 17:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahafoy ny didin’NY TOMPO Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra voarendrika, dia ombilahy kely roa, ary nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ary nanompo ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nafoiny avokoa ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan’ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an’i Aserà ary niankohoka teo anatrehan’ny planeta aman-kintana sady nanompo an’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahafoy ny didin’NY TOMPO Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra voarendrika, dia ombilahy kely roa, ary nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ary nanompo ny Baala*.
malagasy
Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.