2 Kings 17:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hany ka noesorin’NY TOMPO tsy ho eo anatrehany ny Israely, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Dia lasan-ko babo niala tamin’ny taniny ho any Asiria ny Israely ary mbola any mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mandra-pandroakan’i Iaveh azy lavitra ny Tavany, araka izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitra ny taniny i Israely mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hany ka noesorin’NY TOMPO tsy ho eo anatrehany ny Israely, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Dia lasan-ko babo niala tamin’ny taniny ho any Asiria ny Israely ary mbola any mandraka androany.
malagasy