2 Kings 17:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nitondra olona avy tany Babilona, Kota, Ava, Hamata ary Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ny tanànan’i Samaria hisolo ny Zanak’Israely. Dia nandray an’i Samaria ho fananany ireny ka nitoetra teny amin’ny tanànany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nitondra olona avy tany Babilôna sy Kotà na avy tany Havà sy Hamata ary Sefarvaîma ny mpanjakan’i Asiria mba hapetrany amin’ireo tanànan’i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr’i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin’ny tanànany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nitondra olona avy tany Babilona, Kota, Ava, Hamata ary Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ny tanànan’i Samaria hisolo ny Zanak’Israely. Dia nandray an’i Samaria ho fananany ireny ka nitoetra teny amin’ny tanànany.
malagasy
[Ny nametrahana olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.