2 Kings 17:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nanomboka nonina tao izy ireny dia tsy natahotra NY TOMPO, ary NY TOMPO kosa nampandeha liona hamely azy ka nahafaty maro taminy ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony vao nanomboka nonina tany izy ireny, dia tsy natahotra an’i Iaveh, ka nandefasan’i Iaveh liona hamono azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nanomboka nipetraka tamin’ireny toerana ireny izy, dia tsy nanaja ny TOMPO ka nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nanomboka nonina tao izy ireny dia tsy natahotra NY TOMPO, ary NY TOMPO kosa nampandeha liona hamely azy ka nahafaty maro taminy ireny.
malagasy
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.