2 Kings 17:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny olona tamin’ny mpanjakan’i Asiria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any, koa dia nampandeha liona hamely azy Izy; ary indro, nahafaty olona maro ireny noho ny tsy fahalalany ny fomba fanajana ny Andriamanitry ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy nanao filazana tamin’ny mpanjakan’i Asiria nanao hoe: «Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesitany sy namponeninao any amin’ny tanànan’i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilazana ny mpanjakan’i Asiria hoe: –Ny olona izay nafindranao sy nampitoerinao teny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay fomba fanao amin’ny Andriamanitry ny tany any ka dia nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny olona tamin’ny mpanjakan’i Asiria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any, koa dia nampandeha liona hamely azy Izy; ary indro, nahafaty olona maro ireny noho ny tsy fahalalany ny fomba fanajana ny Andriamanitry ny tany.
malagasy