2 Kings 17:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandidy azy ny mpanjakan’i Asiria hoe: Iraho ho any ny iray amin’ireo mpisorona izay noentinareo ho babo avy tany; aoka izy handeha ka hitoetra any, ary aoka izy hampianatra azy ireo izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia izao no didy nomen’ny mpanjakan’i Asiria: «Maniraha mpisorona anankiray amin’ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nanome baiko ny mpanjakan’i Asiria nanao hoe: –Maniraha mpisorona iray amin’ireo nataonareo sesitany mba handeha honina any, ka hampianatra azy ny fomba fanompoana ny Andriamanitry ny tany any.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandidy azy ny mpanjakan’i Asiria hoe: Iraho ho any ny iray amin’ireo mpisorona izay noentinareo ho babo avy tany; aoka izy handeha ka hitoetra any, ary aoka izy hampianatra azy ireo izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any.
malagasy