2 Kings 17:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ny isam-pirenena dia mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izay nataon’ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao andriamanitra tao amin’ny tanàna nitoerany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin’ny fitoerana avo naorin’ny Samaritanina, tamin’izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa mbola samy nanao sarivongan’ny andriamaniny avy ny isam-pirenena ka nametraka izany tao amin’ireo tranon’ny toeram-panasinana, trano izay namboarin’ny mponina taloha tany Samaria; eny, samy nanao izany avokoa ny isam-pirenena tao amin’ny tanàna nitoerany:
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ny isam-pirenena dia mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izay nataon’ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao andriamanitra tao amin’ny tanàna nitoerany avy.
malagasy