2 Kings 17:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria natahotra NY TOMPO koa ny olona dia nanendry olona avy tao anaty vahoaka ho mpisorona tamin’ireo toerana fanaovana sorona izy, ary ireny no nisolo ny vahoaka nanolotra fanatitra tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaja an’i Iaveh izy ireo, ka nananganany mpisorona amin’ny fitoerana avo, mpisorona avy amin’ny vahoaka rehetra, ka nanatitra sorona ho azy ireo tao amin’ny tranon’ny fitoerana avo ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanaja ny TOMPO koa izy rehetra ka nanendry olona avy tamin’ny sarambabem-bahoaka ihany ho mpisorona amin’ireny tranon’ny toeram-panasinana ireny ary hitarika ny fombam-pivavahana amin’ny anaran’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria natahotra NY TOMPO koa ny olona dia nanendry olona avy tao anaty vahoaka ho mpisorona tamin’ireo toerana fanaovana sorona izy, ary ireny no nisolo ny vahoaka nanolotra fanatitra tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona.
malagasy