2 Kings 17:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandraka androany dia mbola manao ny fanaony teo ihany izy: Tsy dia matahotra NY TOMPO, ary tsy dia manao ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’NY TOMPO ny taranak’i Jakoba izay nantsoiny hoe Israely
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taranak’ireo vahiny ireo dia mbola manarakaraka izany fomba tranainy izany mandraka androany, fa tsy tena manaja marina ny TOMPO. Samy tsy tena arahiny na ny fomban-drazany, na ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ny TOMPO ny taranak’i Jakôba, dia ilay Jakôba nomeny anarana hoe Israely.
Malagasy Bible 1865
Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandraka androany dia mbola manao ny fanaony teo ihany izy: Tsy dia matahotra NY TOMPO, ary tsy dia manao ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’NY TOMPO ny taranak’i Jakoba izay nantsoiny hoe Israely
malagasy