2 Kings 17:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nahita fa nanao tetika fikomiana i Hosea, satria nandefa iraka tany amin’i So, mpanjakan’i Ejipta, izy, sady tsy nampiakatra ny hetra ho an’ny mpanjakan’i Asiria tahaka ny fanaony isan-taona intsony. Koa nanidy azy sy namatotra azy tao an-tranomaizina ny mpanjakan’i Asiria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vaky tamin’ny mpanjakan’i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa i Osea fa naniraka olona tany amin’i Soà, mpanjakan’i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an’ny mpanjakan’i Asiria, isan-taona, ka nasain’ny mpanjakan’i Asiria nosamborina sy nogadrana, dia nalatsaka an-tranomaizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hôsea, satria sady nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Saîsa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an’ny mpanjakan’i Asiria intsony. Koa rehefa hitan’i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hôsea.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nahita fa nanao tetika fikomiana i Hosea, satria nandefa iraka tany amin’i So, mpanjakan’i Ejipta, izy, sady tsy nampiakatra ny hetra ho an’ny mpanjakan’i Asiria tahaka ny fanaony isan-taona intsony. Koa nanidy azy sy namatotra azy tao an-tranomaizina ny mpanjakan’i Asiria.
malagasy