2 Kings 17:41 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa natahotra NY TOMPO ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ny razany ihany no nataon’ireny mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
koa araka izany dia natahotra an’i Iaveh ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak’androany izay nataon-drazany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tetsy andaniny dia mba nanaja ny TOMPO ihany izy, fa tetsy ankilany kosa dia nanompo ny sampiny izy hatramin’ny zanaka aman-jafiny mandraka ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa natahotra NY TOMPO ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ny razany ihany no nataon’ireny mandraka androany.
malagasy