2 Kings 17:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria, dia nalefany ho babo tany Asiria ny Israely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’i Habora na ny onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria, dia nalefany ho babo tany Asiria ny Israely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’i Habora na ny onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana.
malagasy