2 Kings 17:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny nahatongavan’izany dia noho ny nanotan’ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanafaka azy tamin’ny tanan’ny farao, mpanjakan’i Ejipta, satria natahotra izay andriamanitra hafa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no tonga, dia noho ny zanak’i Israely nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, avy teo ambanin’ny fahefan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga izany rehetra izany noho ny nanotan’ny Israelita tavaratra tamin’ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy nitondra azy niala tao amin’io tany io. Fa nanompo andriamani-kafa ireo
Malagasy Bible 1865
Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny nahatongavan’izany dia noho ny nanotan’ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanafaka azy tamin’ny tanan’ny farao, mpanjakan’i Ejipta, satria natahotra izay andriamanitra hafa izy.
malagasy