2 Kings 17:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny Zanak’Israely dia nanao zavatra miafina izay tsy tokony hatao, izay nanoherany NY TOMPO Andriamaniny. Nanorina toerana fanaovana sorona teny amin’ny tanànany rehetra izy, hatreny amin’ny tilikambo fitilian’ny mpiambina ka hatreny amin’ny tanàna mimanda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosarontsaronan’ny zanak’i Israely ny zavatra tsy mety nataony tamin’i Iaveh Andriamaniny. Nanorina fitoerana avo tamin’ny tanànany rehetra izy, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niteny ratsy ny TOMPO Andriamaniny izy ka nanorina toeram-panasinana teny an-tanànany rehetra teny, manomboka amin’ny tilikambom-piambenana ka hatrany amin’ny tanànamimanda.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny Zanak’Israely dia nanao zavatra miafina izay tsy tokony hatao, izay nanoherany NY TOMPO Andriamaniny. Nanorina toerana fanaovana sorona teny amin’ny tanànany rehetra izy, hatreny amin’ny tilikambo fitilian’ny mpiambina ka hatreny amin’ny tanàna mimanda.
malagasy