2 Kings 18:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisy i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, hilaza hoe: Nanao fahadisoana aho! Mialà amiko, fa izay hampitondrainao ahy dia hoentiko. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nampandoa an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, talenta volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisa hoe: «Efa diso aho, fa mialà ianao, dia hoentiko izay hampitondrainao ahy.» Dia talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telopolo no nasain’ny mpanjakan’i Asiria naloan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisy i Hezekià mpanjakan’i Joda nanao hoe: –Efa diso aho, mialà amin’ny taniko, fa hozakaiko izay hampandoavinao ahy. Koa nampandoa volafotsy sivy taonina sy volamena sivinjato kilao an’i Hezekià ny mpanjakan’i Asiria.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisy i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, hilaza hoe: Nanao fahadisoana aho! Mialà amiko, fa izay hampitondrainao ahy dia hoentiko. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nampandoa an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, talenta* volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo.
malagasy
Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.