2 Kings 18:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany no nanendahan’i Hezekia ny volamena tamin’ny varavaran’ny tempolin’NY TOMPO sy tamin’ny tolàna; izy, Hezekia, mpanjakan’ny Joda, no nametaka azy; ary nomeny ho an’ny mpanjakan’i Asiria izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, novakin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny varavarana aman-tolàm-baravaran’ny tempolin’i Iaveh, izay efa nopetahan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà takela-bolamena, ary nomeny ny mpanjakan’i Asiria ny volamena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany no nanendahan’i Hezekià ny takela-bolamena napetany tamin’ireo varavaran’ny tempolin’ny TOMPO sy tamin’ireo tolana; ary dia nomeny ny mpanjakan’i Asiria izany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany no nanendahan’i Hezekia ny volamena tamin’ny varavaran’ny tempolin’NY TOMPO sy tamin’ny tolàna; izy, Hezekia, mpanjakan’ny Joda, no nametaka azy; ary nomeny ho an’ny mpanjakan’i Asiria izany.
malagasy