2 Kings 18:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia naniraka an’i Tartana sy i Raba-Sarisa ary i Rabsake mbamin’ny miaramila betsaka avy tao Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema. Nony tonga teo izy dia nitsangana teo anilan’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, teo an-dalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny mpanjakan’i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben’ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin’ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan’ny lakan-dranon’ny farihy ambony, amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny mpanjakan’i Asiria izay tany Lakisy dia naniraka ny filohan-tafika sy ny lehiben’ireo manamboninahitra ary ny dekàny notronin’ny miaramila marobe hankany amin’i Hezekià mpanjaka, any Jerosalema. Raha vao tonga tany Jerosalema ireto iraka, dia nijanona takaikin’ny lakan-drano mankany amin’ny dobo ambony, teo amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny Mpanasa lamba,
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia naniraka an’i Tartana sy i Raba-Sarisa ary i Rabsake mbamin’ny miaramila betsaka avy tao Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema. Nony tonga teo izy dia nitsangana teo anilan’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, teo an-dalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.
malagasy