2 Kings 18:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hoy ianareo amiko hoe: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’i Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba ianareo hanao amiko hoe: I Iaveh Andriamanitray no itokianay. Kanefa raha Izy, moa tsy efa nofoanan’i Ezekiasa va ny ôteliny amam-pitoerana avony, ary efa noalazainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema fa hoe: Eo anoloan’ity ôtely eto Jerosalema ity no hiankohofanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman’ alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hoy ianareo amiko hoe: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’i Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
malagasy