2 Kings 18:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Eliakima, zanak’i Hilkia, sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao izahay, teny arameana no mba ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Eliasima zanak’i Helkiasa sy i Sobnà ary i Jôahe tamin’ny komandy mpandroso divay: «Aoka ho teny Arameanina no hiresahanao amin’ny mpanomponao, fa hainay izany, fa aza fiteny jodaika no iresahanao aminay, ka azon’ny sofin’ny vahoaka izay eo ambony manda.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Eliakima sy i Sebnà ary Jôà tamin’ilay dekà asirianina: –Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin’ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Eliakima, zanak’i Hilkia, sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao izahay, teny arameana no mba ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.
malagasy
Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]