2 Kings 18:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy i Rabsake taminy: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ny olona izay mipetraka eny ambonin’ny manda, hihinanany ny malotony sy hisotroany ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: «Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin’ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’ilay dekà hoe: –Moa ho an’ny tomponareo sy ho anareo ihany va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho an’ny olona mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy atsy ho atsy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanan-dranony!
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy i Rabsake taminy: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ny olona izay mipetraka eny ambonin’ny manda, hihinanany ny malotony sy hisotroany ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?
malagasy
Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]