2 Kings 18:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mihaino an’i Hezekia; fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fihavanana amiko ka mankanesa atỳ amiko dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo sady samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mihaino an’i Ezekiasa fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy.
Malagasy Bible 1865
Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mihaino an’i Hezekia; fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fihavanana amiko ka mankanesa atỳ amiko dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo sady samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy,
malagasy