2 Kings 18:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara, diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo fa tsy ho faty; ary aza mihaino an’i Hezekia, raha manoro vohony anareo izy amin’ny filazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka, tany misy ôliva tsara, diloilo sy tantely, ka ho velona ianareo fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Ezekiasa, fa vohony omeny anareo no ilazany hoe: Hovonjen’i Iaveh isika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varimbazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay ary tanin’ôliva tsara diloilo sy tantely. Dia ho velona ianareo amin’izany fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Hezekià fa atorony voho ianareo raha ilazany fa hamonjy anareo ny TOMPO!
Malagasy Bible 1865
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara, diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo fa tsy ho faty; ary aza mihaino an’i Hezekia, raha manoro vohony anareo izy amin’ny filazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika!
malagasy