2 Kings 18:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia gina ny olona ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraimbava akory aza, satria ny mpanjaka dia efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nangina ny vahoaka, fa tsy namaly azy na dia indraimbava aza, satria efa nomen’ny mpanjaka teny hoe: «Aza misy mamaly ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nangina ny vahoaka ary tsy nisy namaly na dia indraim-bava aza, satria efa nanome baiko ny mpanjaka hoe: «Aza misy mamaly azy ianareo!»
Malagasy Bible 1865
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia gina ny olona ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraimbava akory aza, satria ny mpanjaka dia efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
malagasy
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.