2 Kings 18:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’i Hezekia, amin’ny fitafiana voatriatra, ary nanambara taminy ny tenin’i Rabsake.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankao amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky; voatriatra ny fitafian’izy ireo, ary nolazainy taminy ny tenin’ny mpandroso divay ambony indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nandriatra ny fitafiany i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka, dia nankao amin’i Hezekià ka nitatitra taminy ny tenin’ilay dekà asirianina.
Malagasy Bible 1865
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’i Hezekia, amin’ny fitafiana voatriatra, ary nanambara taminy ny tenin’i Rabsake.
malagasy