2 Kings 18:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no nandrava ny toerana fanaovana sorona sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Israely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany ka ny anarany nataony hoe Nehostana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon’i Mosesy; satria hatramin’io fotoana io no efa nandoroan’ny Israelita ditin-kazo manitra ho an’ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.
Malagasy Bible 1865
Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no nandrava ny toerana fanaovana sorona sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Israely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany ka ny anarany nataony hoe Nehostana.
malagasy
Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.[Nehostana = Ilay varahina]