2 Kings 19:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, izay mipetraka amin’ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nivavaka tamin’ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, izay mipetraka amin’ny kerobima*, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
malagasy
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.