2 Kings 19:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka an’i Eliakima, lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary ny lehiben’ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana izy, hankany amin’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo izy naniraka an’i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony mba hankany amin’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa
Malagasy Bible 1865
Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka an’i Eliakima, lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary ny lehiben’ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana izy, hankany amin’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.
malagasy
Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.