2 Kings 19:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Isaia, zanak’i Amoza, nandefa iraka hankany amin’i Hezekia, hilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ilay fitarainana nataonao Tamiko ny amin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, dia efa nohenoiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka tany amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa hilaza hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, dia naniraka hankany amin’i Hezekià nanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ny vavaka nataonao tamiko ny amin’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria dia efa nohenoiko.
Malagasy Bible 1865
Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Isaia, zanak’i Amoza, nandefa iraka hankany amin’i Hezekia, hilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ilay fitarainana nataonao Tamiko ny amin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, dia efa nohenoiko.
malagasy