2 Kings 19:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba. Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona, zanakavavy virijiny; mihifikifi-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao mandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanaka vavin’i Siôna: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanaka vavin’i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no teny tononiko hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanàna kanton’i Tsiôna, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tanànan’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba. Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona*, zanakavavy virijiny; mihifikifi-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao mandositra.
malagasy
Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.