2 Kings 19:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka? Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka, sy ami-maso misolanandrana ambony? Nanohitra ny Masin’i Iaveh ianao...!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao? Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan’ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin’i Israely!
Malagasy Bible 1865
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely!
malagasy
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.