2 Kings 19:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny alalan’ny irakao no nihantsianao ny Tompo hoe: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona, dia nokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina; dia niditra tany amin’ny fialofana farany ao aminy aho sy tany amin’ny alany midokadoka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniratsira ny Tompo tamin’ny irakao ianao. Ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko marobe, no niakarako tany an-tampon-tendrombohitra, tany an-tendron’i Libàna. Hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sederany, ny tsara indrindra amin’ny sipresiny; ho tonga any an-tampony indrindra aho, dia any amin’ny alany, izay toa saha be hazo mamoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny alalan’ny irakao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano, mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina ao aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.
Malagasy Bible 1865
Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny alalan’ny irakao no nihantsianao ny Tompo hoe: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona, dia nokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina; dia niditra tany amin’ny fialofana farany ao aminy aho sy tany amin’ny alany midokadoka.
malagasy