2 Kings 19:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho no nihady ka nisotro ny ranon’ny firenen-kafa ary ny faladiako no handriatako ny lakandranon’i Neily rehetra any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihady aho, dia nisotro ranom-pirenena hafa; ary ny faladiako dia handrìtako ny onin’i Ejipta rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon’ny firenen-kafa; Ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!›
Malagasy Bible 1865
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho no nihady ka nisotro ny ranon’ny firenen-kafa ary ny faladiako no handriatako ny lakandranon’i Neily rehetra any Ejipta.
malagasy
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Na: ranon'ny firenena hafa][Heb. Mazora]