2 Kings 19:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mbola renao va, hoy NY TOMPO, fa efa hatry ny ela no nanomanako izany, ary efa hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny kosa dia efa manatanteraka izany Aho ka ny nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato no anjaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy efa renao va fa hatry ny ela no nanaovako izany zavatra izany, ary efa nokasaiko fahataloha izany? Ankehitriny no ataoko izay hahatanterahany; hampanjarianao ho korontan-javatra rava ny tanàna mimanda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny elabe no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.
Malagasy Bible 1865
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mbola renao va, hoy NY TOMPO, fa efa hatry ny ela no nanomanako izany, ary efa hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny kosa dia efa manatanteraka izany Aho ka ny nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato no anjaranao.
malagasy