2 Kings 19:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nahatohitra ny mponina tany; sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ny tampon-trano, eny, tahaka ny vary vao mitsiry dia maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan’ny fahamasahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia miraviravy tanana ny mponina eo aminy, sady raiki-tahotra no safo-kenatra; toy ny vilona any an-tsaha izy ireo sy tahaka ny ahi-maitso eny an-jaridaina ary tahaka ny zava-maniry eny an-tampon-trano, ka main’ny rivotra avy any atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nahatohitra ny mponina tany; sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ny tampon-trano*, eny, tahaka ny vary vao mitsiry dia maty.
malagasy
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.