2 Kings 19:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao, na mivoaka hiady, na miverina avy niady; fantatro koa ny fihetsiketsehanao hanohitra Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo kosa, hitako avokoa na ny fipetrakao, na ny fivoakanao sy ny fiditrao, na ny hatezeranao amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro avokoa ny momba anao na mipetraka ianao na mitsangana, na mivoaka ny trano ianao na miditra, sy rehefa tezitra misafoaka amiko.
Malagasy Bible 1865
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao, na mivoaka hiady, na miverina avy niady; fantatro koa ny fihetsiketsehanao hanohitra Ahy.
malagasy
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.