2 Kings 19:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria mihetsiketsika manohitra Ahy ianao, ary efa tafakatra atỳ an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny faraingoko ny oronao ary hopetahiko ny lamboridiko ny molotrao, dia hampivereniko amin’ny lalana izay niavianao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noho ianao tezitra amiko, ary efa tafasandratra ho ren’ny sofiko ny fiavonavonanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao; hasiako ny sakam-bavan-tsoavaly ny molotrao; dia hampiverina anao amin’ny lalana niavianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehànao. Koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao, dia hampivereniko lalana any an-taninao ianao amin’izay lalana niavianao ihany.
Malagasy Bible 1865
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria mihetsiketsika manohitra Ahy ianao, ary efa tafakatra atỳ an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny faraingoko ny oronao ary hopetahiko ny lamboridiko ny molotrao, dia hampivereniko amin’ny lalana izay niavianao ianao.
malagasy