2 Kings 19:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity, ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany, fa amin’ny taona fahatelo kosa, mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy amin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao kosa no famantarana ho anao: Vokatra avy amin’ny voa mihintsana no hohanin’ny olona amin’ity taona ity; izay maniry ho azy no hohaniny amin’ny taona faharoan’ity, fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy ianareo dia hijinja, hamboly voaloboka dia hihinana ny vokatra avy aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin’ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin’ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity, ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany, fa amin’ny taona fahatelo kosa, mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy amin’izany.
malagasy