2 Kings 19:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana, koa nony maraina vao nifoha olona dia hita fa indreo, fatin’olona avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny alin’io ihany dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjeli n’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO* ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana, koa nony maraina vao nifoha olona dia hita fa indreo, fatin’olona avokoa.
malagasy
Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.