2 Kings 19:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa akaro ny vavaka ataonao hamonjy izay mbola sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nolazain’ny mpandroso divay ambony indrindra, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony, haniratsira an’Andriamanitra velona, ka iny dia hofaizina noho ny teniny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Ka ny fivavahana no asondroty hamonjy izay mbola sisa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba ho ren’ny TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’ny dekà asirianina izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hofaizin’ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany! Koa manandrata vavaka ianao ho an’ireo sisa tavela amin’ny vahoakany.»
Malagasy Bible 1865
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa akaro ny vavaka ataonao hamonjy izay mbola sisa.
malagasy